Manorona tokan-trano
Ny olombelona, raha voateraka dia efa miankindoha amin'ny olona hafa fa araka ny mahalehibe dia mahaleo tena tsikelikely ; amin'ny faha-20 taona dia efa mahaleo tena, tompon'ny safidy. Ilaina foana anefa ny fiombonana sy fifamenoana amin'ny hafa mba afahana manohy ny fanorenana tokan-trano. Mila mifankahalala ny olona roa hanorina tokan-trano mba tsy ho tampoka ny fisehon-javatra maro lafy ao an-tokan-trano (fanabeazana, vina...) Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.