Fankalazana ny 08 mars

Taloha dia tsy nomena ny hasina maha olombelona ny vehivavy, saingy nivoatra tsikelikely izany taty aoriana, ka miha manana ny zony ny vehivavy. Teny manentana amin'izao fanamarihana ny andron'ny vehivavy izao ny hoe : Vehivavy miarina, vehivavy mandroso. Aza miandry ny hafa satria hatramin'ny nahariana izao tontolo izao ny vehivavy dia efa nanana ny maha izy azy... Mila maneho firaisan-kina sy miara-miasa amin'ny lehilahy ho fampandrosoana ny fianakaviana sy ny firenena.  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.