Ny tontolo iainana

Mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary dia ilaina ny fanaovana jeri-todiky ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy. Ny tontolo iainana no miantoka ny fiainantsika olombelona. Ny tontolo iainana dia harena voajanahary : tany, rano, vato, olombelona, zava-maniry, biby an-tanety sy anaty rano... I Madagasikara dia manana harena voajanahary betsaka ara-tontolo iainana. Fototry ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikarohana sy fandalinana natao, mba afahana mamaritra izay tokony hatao dia io ilay atao hoe politikam-pirenena ho fiarovana ny tontolo iainana...