Fanajana sy fitazomana ny teny natao (Tenir parole)

Tamin'ny fiaraha-monina Malagasy dia manan-danja ny fanajana sy fitazomana ny teny natao. Beazina ny olona mba hanaja ny teny navoakany. Rehefa manolotena ianao hiriso amin'ny fanapahan-kevitra iray dia lazaina am-bava na atao an-tsoratra mba hampanan-danja ny fanatanterahana azy. Ny fanoloran-tena dia midika fa voakasik'izany ny lafin'ny rehefa maha-olona : vatana, saina, fanahy. Tokony ho fantarina aloha hoe ho vita ve ny teny natao vao ambara, ary tokony ho vokatry ny fo izany fa tsy terena araka ny zava-misy. Ny Mpanabe sy ny ray aman-dreny dia tokony ho môdely amin'ny fanajana ny teny natao, ary tokony hiaiky fahadisoana raha sanatria tsy mahatanteraka izany.