Fanabeazana teo aloha sy ankehitriny

Sahiran-kevitra ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ary velom-panontaniana hoe : inona teo amin'ny fanabeazana taloha no mbola azo tazomina ankehitriny?. Ny fanabeazana teo aloha dia izay tany ambadiky ny fandrosoana ara-teknolojika sy ny fanatontoloana. Ny tanjon'ny fanabeazana dia ny mba hampaleontena ny beazina. Ny fanabeazana dia fampitana fahalalana sy fahendrena ary fahamarinana. Teo aloha dia ny fianarana ihany no nimasoana fa ny fanatanjahantena sy ny mozika na ny zavatra hafa dia tsy navela nataon'ireo mpianatra, ankehitriny anefa ireny no hanefena ny maha olona an'ireo ankizy. Ireo fitsipi-pitondrantena nahasoa ny teo aloha dia tsara tohizana, mila mihezaka ny ray aman-dreny mba hahitsy amin'ny resaka.