Fahaiza-miaina : fandanjalanjana 2

Ny olombelona dia misy lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy ary ara-piaraha-monina. Isika olombelona dia mila mahay miatrika olana na tranga iray. Tokony hahay mifehy fihetse-po ny olombelona, alavirina ny fanafenana ny fihetse-po fa izay no maha olombelona. Tokony atao mitovy ny fikarakarana ny ara-bata, ny ara-tsaina, ny ara-panahy satria ireo dia isan'ny singa maha olona ihany koa. Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.