Fandaharam-potoanan'ny ankizy mandritra ny tontolo andro

Ny fandaminana ny fandaharam-potoanan'ny ankizy dia miankina amin'ny taonany sy ny filàny. Manomboka eo amin'ny fahadimy taonany farafahatarany no hanabeazana ny ankizy kanefa hajaina ny filàny mba hampivelatra azy ara-tsaina. Ireo filàna fototra tsy azo hiodivirana dia ny torimaso sy ny sakafo, lalao sy fanantanjahantena... Ilain'ny ankizy ny fivoahana ivelan'ny trano mba ahafahany mandinika sy misintona lesona eny amin'ny fiaraha-monina sy mankafia ny tontolo iainana. Atao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny ankizy ny fiarahana manao zavatra amin'ny lehibe : miresaka, milalao, mikirakira fitaovana, mamaky boky. Tokony tandremana ny fisafidianana olona hiandraikitra ny zanaka mandritra ny tontolo andro.