Tontolo manao ahoana no miandry ny reny

Ny tontolo misy ny vehivavy reny ankehitry dia feno rotoroto sy ahiahy eo koa ny fisedrana ny fanatontoloana. Ny tontolon'izy ireo dia feno rentirenty sy fahasahiranana. Na eo aza iretsy voalaza iretsy dia tokony tsy  hanadino loatra ny tenany ny vehivavy : ara-sakafo, ny fikarakarana vatana. Ilaina ny mifanatona, tsy mandeha irery. Mila mifankahazo tsara ny olona lahy sy ny vavy. Tsy hakivy dia tokony hahay hijery lafintsara foana isika. Itoeran'adidy lehibe ny vehivavy ka tokony hahery amin'ny famolavolana ny toe-tsain'ny ankohonana. Mila tohanana ny reny : Fifanampiana amin'ny raharaha ao an-trano, eo amin'ny fanabeazana ny taranaka ka mandrisika ny rehetra hitady ny fomba rehetra ary hiomana amin'ny fikarohana zavatra maromaro...