Ny soatoavin'ny asaramanitra

Teny roa no misongadina ao anatin'ny hoe : "soatoavin'ny asaramanitra" dia ny soatoavina sy ny asaramanitra. Soatoavina : soa toavina, hajaina, iainana ary hifampitàna ary ity farany no tena zava-dehibe. Asaramanitra : fotoana hanaovana fety toy ny taom-baovao sy ny fetim-pirenena, hifampiarahabana, hifampitsidihana arahina fifanolorana fanomezana. Ny asaramanitra dia fotoana mamarana ny fahavaratra ary miditra amin'ny vanim-potoanan'ny fijinjana, fiakaran'ny vokatra asara. Asaramanitra : Saha + manitra.